Tsihombe : Nosamborina tao an-tranony ny depiote
Ny ampitson’ny nahamay ny biraon’ny distrika sy ny Ceni tao Tsihombe (Androy) dia tonga tao amin’ny tranon’ny depiote Masy Goulamaly Marie Jeanne d’Arc ny mpitandro ny filaminana nirongo basy. Nalaina tao an-toerana izy ary nentina avy hatrany teny amin’ny birao mba hatao famotorana. Mazava ho azy fa mahakasika io fahamaizan’ny tranom-panjakana sy tranon’ny vaomieram-pifidianana no anton’izany. Tsy nandà ny fisamborana azy ity depiote mbola amperinasa ity fa kosa...