Tsaratanàna : Vehivavy nalaina an-keriny navotsotry ny jiolahy
Tsy dia fantatra mazava na nisy lelam-bola ho takalon’ny famotsorana sy vokatry ny fanamparitahana Zandary marobe any amin’ilany atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna no antony nahavotsotra an’ilay vehivavy iray nataon’ireo malaso takalon’aina nandritra ny tapa-bolana na tsia. Satria tsy nahenoana vaovao marin-pototra mihitsy ny fianakavian’ilay vehivavy 55 taona nalain’ny jiolahy an-keriny. Raha hotantaraina tokoa ny zava-nitranga dia jiolahy tsy voafaritra isa no...