Tsaratanàna – Betsiboka : Dahalo rain-dahiny mpaka an-keriny lavon’ny balan’ny zandary
Taorian’ny fidinana ifotony nataon’ny kaaomandin’ny vondron-tombim-pileovan’ny zandary eto Betsiboka, ny asabotsy faha 10 febroary lasa teo, tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambakireny, no nahomby ny paikady napetraka. Noho izany dia nahitana vokatra sahady ny hetsika fampandriana fahalemana nataon’ny zandary any amin’ny ilany atsimon’ny disitrakan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka, nandritra ny » Opération HARATO 2″. Dahalo rain-dahiny iray,...