Tonelina Ambohidahy : Efa-dahy mitam-basy nanafika taxi-be

Ny iray naka ny vola rehetra tany amin’ny resevera. Ny ambiny nitety ny mpandeha rehetra ary nitango izay azo nalaina : paoketra, finday, vola sns. Ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany no nitrangan’izany tao anaty fitohanan’ny fifamoivoizana ao anaty tonelina etsy Ambohidahy. Niditra tao anaty taxi-be zotra 165 ireo jiolahy. Nanambana basy avy hatrany ary dia nazava tamin’olona ny tanjon’izy ireo. Lehilahy iray no nanohitra ary dia niharan’ny daroka sy ny vely...
Lire la suite sur Midi Madagascar
Image à la une de Tonelina Ambohidahy : Efa-dahy mitam-basy nanafika taxi-be