Soavinandriana : Lonilony saika hanapahana lohan’olona
Tsindron’antsy maromaro no efa niantefa tamin’ity tovolahy iray. Tsy vitan’izay fa efa nandeha naka sabatra, handeha hanapaka ny lohany ilay nahavon-doza no tonga ny olona, izay avy hatrany dia niaro azy. Voasambotra ilay mpamono ary saika nivoana tamin’ny fitsaram-bahoaka ny raharaha, saingy tonga haingana ny polisy. Tranga niseho ny faran’ny herinandro lasa teo tao amin’ny kaominina Mananasy, distrikan’i Soavinandriana Itasy. Raha ny fanazavana azo avy amin’ireo mpanao...