Toamasina : Noraofin’ny mpitandro ny filaminana ny haraton’ny mpanjono
Hatairana ny an’ireo mpanarato sarihana eny amoron-dranomasin’i Toamasina, fa nitontonan’ny mpitandron’ny filaminana ny asan’izy ireo ary noraofina ny harato fampiasany tamin’iny herinandro nivalona iny. Raha ny fanazavana dia baiko avy amin’ny ministeran’ny jono sy tontolo maitso ny fandraofana ireo harato fakana ireo zana-trondro na pirina, sy ny zanaka “crevette” na patsa ary ireo zavatra samihafa miaraka amin’izany. Mahatsapa mantsy ny ekipan’ny ministera fa miha...