Toamasina : Jiolahy roa lavon’ny balan’ny pôlisy
Hiaraha-mahalala ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka ao. Manao ny ainy tsy ho zavatra anefa ireo mpitandro filaminana entina hiadiana amin’ireo tontakely. Porofon’izay ny vokatra azon’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena ny faran’ny herinandro teo. Raha ny angom-baovao azo mantsy dia fantatra fa jiolahy miisa roa indray no tsy afa-manao intsony asa ratsiny rehefa nifanehatra tamin’ireo pôlisy. Mpamaky trano telo hafa ihany koa no azo...