Taom-baovao tao Bemokotra : Lehilahy maty notsatohan’ny rahalahiny tamin’ny antsy
Nanakohako eran’ny tampon-tanàn’Antsaramanga ny tsindrona antsy teo amin’ireo zatovolahy mpirahalahy mpiray tampo ny andron’ny taom-baovao teo iny, tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any. Raha ny angom-vaovao voaray avy any an-toerana hatrany dia namangy nanatitra fitafy sy sakafo tamin’ny vady aman-janaka ny zaodan’izy roa lahy ireo no nampiaka-pofona an’ilay lehilahy iray tompon’ny anabavy. Noraran’ny rahalahiny ity farany tamin’ny teny hoe: olona nifampiteraka...