Soavinanadriana : Dahalo maty voatifitra
Efa voatemitra manodidina ity mpangalatra omby ity saingy mbola nikasa ny hanohitra sy hitady hirika hitsoahana ihany. Ny faran’ny volana teo, nitrangan’ny halatra omby tao amin’ny tanànan’i Morarivo, fokontany Manjakasoa, kaominina Mananasy, any amin’iny distrikan’i Soavinandriana iny. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona, nampian’ny zandary teo anivon’ny tobim-paritra Soavinandriana. Tsy niandry ela dia efa voahodidin’ireo mpanenjika ireto olon-dratsy. Tsy...