Ernest sy Brada : Jiolahy roa tafatsoaka ny fonjan’Ambalatavoahangy
Ranary Eddy Brada sy Francisco Ernest. Ireo ny anaran’ny gadra roa izay tafatsoaka ny fonjan’Ambalatavoahangy ny zoma lasa teo. Tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro, raha nasaina nanao andrana kodiaran-droa an’ny mpiandry fonja iray vao avy namboarina izy ireo, tany dia tsy hita. Teo vao nikorapaka ary natao ny fikarohana rehetra ka ny moto no hita narian’izy ireo. Ireo roalahy ireo dia efa voatsara ary mbola eo am-pamitàna sazy noho ny fanafihana mitam-piadiana sy halatra moto....