Soamandroso-Maevatanàna : Mitrongy tanimbarin’ny mponina ireo Sinoa mitrandraka volamena
Nanakohako nandritra ny andro maro lasa tamin’ny alalan’ny feo niely etsy sy eroa ny fitrandrahana volamena niampy fanampotehana tany fambolem-bary ny mponina amin’ny » Engins, » any amin’ny fokontany Soamandroso, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, izay nataon’ireo Sinoa Kely maso tsy fantam-pihaviana. Nohon’io tranga io dia nidina nijery ny zava-nitranga tany an-toerana ny tompon’andraikitra misahana ny harena...