Ankazobe : Taksiborosy nivadika, olona enina naratra mafy
Nisehoan’ny lozam-pifamoivoizina tany Ankazobe ny zoma lasa teo. Teo amin’ny RN4 PK 90+200, Ambohimarina, Ankazobe. Voalazan’ny zandary fa tao amin’ny lalana mahitsy vita tara, anaty tanàna no nisehoan’ity loza ity. Fiara fitateram-bahoaka iray, sprinter, avy any Mampikony ho aty Antananarivo no niala ny lalana ka nihilana teo amin’ny ankavanany. Tombanana ho vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily, izay vao 21 taona monja. Araka ny filazan’ny zandary dia fandehanana mafy, tsy...