Sabotsy Namehana : Mpanendaka nifanenjehan’ny fokonolona
Azo fongorina tsara ny mpanao ratsy rehefa mahay miray hina ny fokonolona ! Toy ity tranga tetsy Antsahatsiresy Sabotsy Namehana ity, ny voalohan’ny volana teo. Tovolahy iray mantsy no nifanenjehan’ny fokonolona ary tsy namelan’izy ireo raha tsy voasambotra. Nisy nahita teo am-panaovana ny asa ratsiny, teo am-panendahana olona, tamin’ny elakelan-trano iray ranamana. Vao naheno ny antso vonjin’ilay saika ho lasibatra fotsiny ny fokonolona dia efa niara-nirohotra nanenjika ity farany....