RN7 Antananarivo-Antsirabe : Andaniana ora 5 vao tongan’ny fiara
Sorena ny mpandeha, fimenomenomana no re etsy sy eroa amin’ny faharatsian’ny lalana, tsy eto an-tapontanana ihany izy io fa saika manerana ny lalam-pirenena mihitsy. Manginy fotsiny ny fahasimban’ny fiara hoy ireo mpandraharaha eo amin’ny resaka fitanterana, ny fahalafosan’ny kojakoja ilaina tsy lazaina intsony, izany no hiainan’ny mponina tao anatin’izay taona maromaro lasa izay. Raha ny lalam-pirenena faha 7 mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe no resahana dia...