Betsiboka – Maevatanàna : Nahazo fanampiana ireo traboina vokatry hain-trano
Ny andron’ny faha 29 Oktobra taona 2024 lasa teo no nizotra nianatsimo, hihazo ny lalam-pirenena fahefatra, zato kilaometatra miala an’i Maevatanàna, hoany Andriba, ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tsokajiny aty an-toerana. Izay nanatitra fanampiana hoan’ireo olona niisa 150 traboina, vokatry ny hain-trano niseho tany amin’ny tanàna atao hoe: Mandrosovahiny, fokontan’Antsitabe sy Andoharano, fokontan’Antobinimadama, any amin’ny kaominina ambanivohitra Andriba, aty...