RN4 : Nahazo fampitandremana ny mpiasan’ny fikambanana iraisam-pirenena
Mampanahy ny besinimaro ny fisian’ny fanafihana nisesisesy izay manamorona ny lalam-pirenena fahefatra. Hatramin’ny fikambanana iraisam-pirenena izay manana ny masoivohony eto amintsika aza dia nandefa hafatra ho an’ireo olona izay miasa eo anivony. Fampitandremana izany mahakasika ireo izay handeha hamita iraka any amin’ny faritra ka hizotra amin’ny RN4. « Hajanona raha tsy manan-danja loatra » raha araka ny soso-kevitra. Eo koa ho an’ireo izay mipetraka amin’iny toerana iny...