RN4 : Manao sesilany ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona
Tsy hay resahina intsony ny fahitana ny haratsian’ny lalana eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra an-kehitriny, any ka lasa miteraka loza mitatao, ho an’ny fiara mampiasa azy, na amin’ny lozam-pifamoivoizana na ihany koa mety misy fanararaotana ataon’ireo olon-dratsy amin’ny fanafihana taksiborosy. Hita sy voamarina tokoa ny amin’izao fotoana fialan-tsasatra lehibe hoan’ny mpianatra izao ny hamaron’ireo olona mivezivezy eny amin’ny » RN4, » izay mihazakazaka manao...