RN4 : Fiara taksiborosy nasionaly nifandona
Nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, teo amin’ny PK 232+100 any amin’ny fokontany Tsinjorano, kaominina ambanivohitra Antsiafabositra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny alatsinainy faha-28 -aprily taona 2025 teo iny, tokony tamin’ny 04 ora mahery 20 minitra tany ho any. Raha ny vaovao marim-pototra voaray hatrany dia fiara taksiborosy nasionaly iray avy any Mahajanga no nifaoka tampoka avy aoriana ny fiara taksiborosy nasionaly...