Antsampamahazo Maevatanàna : Rongony 213kg amin’ny gony niisa valo no sarona
Ny asabotsy faha 26 aprily taona 2025 teo iny, tokony tamin’ny enina ora hariva dia saron’ireo zandary niisa telolahy miasa any amin’ny zana-tobim-paritra Mahazomà nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo ny rongony milanja 213kg, amin’ny gony niisa valo. Ny angom-vaovao voaray hatrany no nahalalana fa manatanteraka fisafoana isaky ny hariva hatramin’ny maraina ny andro ny zandarimariam-pirenena, any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i...