Paka any Antsirabe : Saika nitohaban’ny vola sandoka
Olona telo no voasambotra. Ary izany dia noho ny fisian’ny olona izay nanome vaovao mahakasika ny fikasàn’ny olon-dratsy hanaparitaka vola sandoka, no nahafahana namandrika sy nisambotra. Vola mitentina 18 tapitrisa ariary no sarona teny amin’ireo mpanaparitaka vola sandoka. Nogiazana avy hatrany izany. Ravim-bola izay roa alina ariary avokoa. Tao anatin’ny fanadihadiana no nahafantaran’ny polisy izay miandraikitra ny raharaha fa saika haparitaka mandritry ny andro fety no tanjona....