Mandraty-Maevatanàna : Renim-pianakavina iray no matin’ny haromontana
Efa roa volana lasa no voamarina fa nokaikerin’ny alika, ilay Renim-pianakavina iray, tokony 62 taona eo, izay monina any amin’ny fokontany Mandraty, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antsiafabosotra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, saingy nanao dokotera an-tena, tany amin’ny faritra misy azy. Rehefa hita ka tena sempotra ity farany dia noentin’ny fianakaviany nalaky teny amin’ny hopitalibe Morafenokely eto Maevatanàna ny Asabotsy faha 08 Febroary lasa teo iny....