Mananara Anjozorobe : Mpifankatia nifamono, nifanatsatoka antsy, maty ny iray
Mbola mpianatra izy ireo, samy avy any ambanivohitra ary manovo fianarana sy manofa trano ao an-drenivohitry ny distrikan’Anjozorobe. Ny andron’ny alarobia hariva lasa teo, nitrangana fifandratrana niafara tamin’ny vono olona tao amin’ny tokantranona mpianatra iray, tao Mananara Anjozorobe. Samy naratra mafy na ilay tovolahy na ilay tovovavy, saingy ity farany no voa mafy, ary namoy ny ainy omaly maraina. Hatreto, tsy fantatra mazava izay tena zava-niseho, tamin’io andro...