Facebook : Mpisintona lakolosy fanairana karohina
Fanta-daza izy eo anivon’ny tambajotra sosialy. Sady mpamaky bantsilana ny tsy mety no mpankasitraka ny mety koa. Omaly dia nivezivezy teny amin’ny trano fonenany ny mpitandro ny filaminana nitady azy. Tsy hita anefa izay nalehany ary dia nody maina. Ny antony hikarohana azy kosa dia tsy mbola nisy ny fanazavana mazava mahakasika izany. Na izany aza anefa dia azo tombanana ihany fa ny fandefasany dosie maromaro tamin’ny kaontiny mba ho hitan’ny mpanaraka azy no mety ho anton’ity...