Mahitsy : Lehilahy matin’ny hanoanana
Ny vatana mangatsiaka an’ilay lehilahy iray efa tsy misy aina intsony no hita teo amoron-tanimbary, Avaradrenirano Ikopa, ao amin’ny fokontany Soavinimerina, kaominina Mahitsy, omaly maraina, tokony ho tamin’ny valo ora teo ho eo teo. Nampandrenesina avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny tanàna ka nisy ny fidinana ifotony nataon’ny teo anivon’ny zandary sy ny mpitsabo nijery ifotony ny zava-nisy. Araka ny fitsirhana nataon’ireto farany dia fantatra fa efa somary elaela io...