Mahazomà – Maevatanàna : Maty ilay Ramatoa nodarohan’ny vadiny tamin’ny hazo
Ilay vady nahavanon-doza Ny Alatsinainy faha 21 Oktobra taona 2024 lasa teo iny, tokony tamin’ny telo ora tolakandro no nitondra fitarainana teny amin’ny biraon’ny Zandary i Rakotondrasoa jenesy Ranefotro, fa naratra mafy nodarohan’ny vadiny tamin’ny hazo tany am-bavarano ny hanabaviny. Raha hojerena sy hotantarana tokoa ny tena zava-nitranga, araky ny fampitam-baovao voaray dia ny andron’ny Alatsinainy faha 07 Oktobra lasa teo no nandeha » nandro, » teny amin’ny...