Kandreho-Betsiboka : Votsotra teo am-pelatanan’ireo jiolahy ny takalon’aina mpiandry Omby
Efa mitady handady, any amin’ny disitrikan’i Kandreho iny indray ny asan-dahalo miseho heno etsy sy eroa. Raha ny fampitam-baovao voaray hatrany dia andian-dahalo maromaro tsy voafaritr’isa nitondra basim-borona no nanafika tao amin’ny fokontany sy kaominina ambanivohitra Atsimondrano, any amin’ny disitrikan’i Kandreho, ato anatin’ny faritra Betsiboka ny Alatsinainy faha 21 Oktobra lasa teo, tokony tamin’ny misasak’alina tany ho any. Lasan’ireo malaso nandritra izany ny...