Mahazoma-Maevatanàna : Doro trano maro ataon’olona tsy fantatra
Fandoroana trano tafobozaka sy toeram-pivarotana, hataon’olona tsy fantatra any an-toerana. Tao anatin’ny iray volana mahery lasa nisehoan’ny fandoroana trano tafobozaka sy toeram-pivarotana dia nahazo vahana ity tranga ity, tao an-tampon-tanàna ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Ny Alakamisy hifoha zoma faha-11 jolay taona 2025, tokony tamin’ny iray ora maraina tany ho any no nahitana toeram-pivarotana fotsim-bary...