Maevatanana : Mpaka an-keriny anankiroa hatao hazalambo
Olona anankiroa, fantatra amin’ny anarana hoe Damasy sy Santatra, no namoahan’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Maevatanana, taratasy fampikarohana, omaly. Raha ny fanazavana azo dia izy roa lahy ireto no voalaza fa atidoha nikotrika ilay fakana an-keriny ankizy roa lahy, niseho tao Antsiafabositra, Maevatanana, ny 12 oktobra lasa teo. Ny mombamomba azy ireo : -Randrianiana Tianjafy antsoina hoe Damasy, 22 taona, mpamboly, nonina tsy lavitra ny Epp Morafenokely tao...