Ivato : Jiolahy anankiroa niharan’ny fitsaram-bahoaka
Efa marobe ireo olona no nitangorona teo amin’ny arabe, saika hanmpatra ny hatezerany tamin’azy roalahy ireto. Saingy soa ihany fa voasoroka mialoha izany noho ny fahatongavan’ny zandary. Na izany aza, efa voafatotra sy voadarok’ireo mpisambotra ihany izy ireo talohan’izay. Ny alin’ny zoma lasa teo dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tokatrano iray tetsy Ivato. Dimy lahy tsy nisaron-tava izy ireo niditra an-keriny tao amin’io trano io, rehefa avy nandratra...