Maevatanàna : Mitady hanjaka indray ny dahalo
Manombaka mahazo vahana an-kehitriny ny asan-dahalo miseho eto Maevatanàna an-tampon-tanàna, satria tao anatin’ny alina iray sy ora mitovy no nanesen’ireo malaso ny omby tao anaty vala, izay narahana poa-basy sy naharatrana olona iray, voafira famaky teo amin’ny hatony, tao amin’ny fokontany roa samy hafa: Anosikely avaratra sy Ambatofotsy no nisehoan’izany ny Alatsinainy faha 26 Aogositra taona 2024 teo, tokony tamin’ny 11 ora tany ho any. Raha hotantarana tokoa ny tena...