Maevatanàna : Lehilahy iray no maty, rehefa voakaikitry ny alika romotra
Hataraina ny an’ireo mponina manodidna teny amin’ny fokontan’Ambovomavo, any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna rehefa nahita sy naheno ny zava-nitranga makasika an’ilay lehilahy iray antsoina hoe: Zenary, tokony eo amin’ny 47 taona eo, izay lasa romotra voakaikitry ny alika. Ny angom-vaovao voaray hatrany no nahalalana fa voakaikitry ny alika ny taona 2025 teo iny ranamana, saingy tsy nentin’ny fianakaviany namonjy...