Maevatanàna : Dahalo nifamono noho ny resaka valifaty
Lasa niteraka valifatim-pianakaviana ny asa ratsin’ireo tanora manao dahalo any amin’ny kaominina ambanivohitra Mangabe iny ankehitriny, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Raha hojerena tokoa ny zava-nitranga, tao an-tapon-tanànan’i Mangabe, dia nisy dahalo iray monina amin’io tanàna voalaza etsy aloha io no nanafatra jiolahy roalahy namany, hanafika olona iray ao ihany, saingy noho ny tonga ireo malaso nafarana, dia taitra tampoko, rehefa nahalala ny olona hotafihina. Ka teo no...