Toliara : Sokatra 147 isa saika haondrana
Mbola mitohy ihany ny fandrobàna biby arovana. Avy any amin’ny faritra Androy, tao Beloha ireo sokatra izay miisa 147. Sarona tao Toliara fokontany Mahavatsy 2, rehefa nandalo tao. Avy hatrany dia nisy ny fandraisana andraikitra ka nosamborina ny olona roa izay tompon’antoka tamin’ny fitarerana ireo biby. Nogiazana koa ireo sokatra ary aorian’ny fanadihadiana ara-pahasalamana azy ireo dia tokony haverina any amin’ny toerana niaviany. Tsiahivina fa isan’ny nanala-baraka ny firenena...