Jeneraly Rakotomaronirina Alfred : Miandrandra ny hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara
Na efa maro ary ny zava-tsoa noentin’ny Jeneraly Rakotomaronirina Alfred ho an’ny vahoakan’i Kandreho, dia mahatsapa ny lehilahy fa mbola betsaka ny tokony hatao mba hampandroso ity distrika ity. Ny hitondra ny anjara birikiny be be kokoa amin’izany fampandrosoana ny tanindrazany izany araka izany no nahatonga ity manamboninahitrin’ny tafika misotro ronono ity hilatsaka hofidiana ho solombavambahoaka ao amin’ny distrikan’i Kandreho. Ary efa vonona ny hiatrika ny fifidianana izay...