Ivato : Zandary maty nodarohana miaramila
Omaly no namoy ny ainy tao amin’ny hôpitaly miaramila Soavinandriana ny zandary iray, izay fantatra fa niharan’ny vono avy tamin’ny rahalahiny am-piadiana, miaramila iray tetsy amin’ny toby iray tetsy Ivato. Ny alin’ny zoma lasa teo no nisy fifamaliana teo amin’izy roalahy ireto, araka ny angom-baovao azo. Izy ireo izay samy mpiandry raharaha tao amin’io toby miaramila io. Tsy vitan’ny resaka fifamaliana ara-bava intsony anefa ny zava-nisy fa niafara tamin’ny...