Itaosy : Mpanendaka raindahiny maty voatifitry ny pôlisy
Vita ny aminy ! Anisan’ireo mpanendaka gaigilahy nampitondra faisana ny mponin’Itaosy ny manodidina iny, ity maty voatifitry ny pôlisy ny herinandro teo ity. Tontakely izay fantatra amin’ny anarana hoe Guista, araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy. Sendra ny tsy nampoiziny velively ingahirainy, raha iny nikasa ny hanao ny asa ratsiny iny, tetsy Amboatavo. Fanaony ny miafina ao anaty fasana, hoy ny fampitam-baovaon’ny pôlisy ka raha vao sendra mahita « haza » izy dia mipoitra...