Itaosy : Mpanafika taxi-moto ravan’ny zandary
Efa maty paika ny teti-dratsin’izy ireo, entina hanafihana ireo taxi-moto : ny iray mody manao mpandeha, ary ny roa manaraka avy ato aoriana amin’ny alalàn’ny môtô ihany. Soa fa tonga ara-potoana ireo mpitandro filaminana, ka rava maina ny tetika. Voasambotra avokoa izy telolahy, niaraka tamin’ireo fitaovana fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny. Tranga teny amin’iny faritra Itaosy iny, ny herinandro lasa teo. Raha ny fampitam-baovao azo tokoa dia efa tambazotra iray...