Hetsika politika tetsy Andavamamba : Nanararaotra ny mpanendaka
Nanao izay ho afany ary azo lazaina ho tena nanararaotra ireo tontakely omaly, nandritra ny hetsika ara-politika tetsy Andavamamba. Inoana fa maromaro tamin’izy ireo no nifangaro tamin’ireo olona marobe nisalotra volomboasary sy fotsy nitangorona teny an-toerana. Nisy ireo lasibatra. Toy ity lehilahy iray, izay voalaza fa sendra nandalo teny an-toerana, tamin’ny ora sy fotoana nisehoan’ireo fifanjevoana teo amin’ireo mpomba ny andaniny sy ny ankilany, no niharan’io fanendahana io....