Faratsiho : Novonoiny ny zana-badiny dia naleviny
Resaka hasarotam-piaro ny antony. Na dia efa nisaraka aza ireo mpivady dia mbola nahery be ny hasarotam-piaron-drangahy. Indrindra koa rehefa hitany niaraka tamin’olon-kafa ny vadiny taloha. Ny nataony dia ilay zazalahikely enin-taona izay zana-badiny no nanamparany ny valifatiny. Nalainy tany am-pianarana, nalaina an-keriny. Vita izay dia nentiny tany anaty ala ary novonoiny ho faty. Naleviny teo akaiky teo ihany. Io zaza io anefa dia zaza efa notezainy ela, nandritra ny fanambadian’izy...