Hetsika « Dona » : Tsy hanavahana an’iza na iza ny fisavàna ireo kodiaran-droa
Nanomboka ny sabotsy lasa teo ity hetsika manokana ataon’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena, izay natao hisavàna manokana ireo kodiaran-droa eto an-drenivohitra. Hetsika izay nahabe resaka tanteraka tao anaty tambajotra sosialy, indrindra fa ho an’ireo mpankafy môtô. Hentitra dia hentitra tokoa ireo mpitandro filaminana ary tsy misy indrafo sy alaharo alaharo fa rehefa tsy manara-dalàna dia hiharan’ny sazy avokoa : fampidirina am-balam-pamonjàna ireo môtô. Araka ny...