Fikambanam-behivavy tantsaha FARM : Nanolotra paikady hanatsaràna ny tontolon’ny famokarana
Anisan’ireo nandray anjara mavitrika ho amin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy eny amin’ny tontolo ambanivohitra (JIFR) ny fikambanana FARM, na ny “Femmes en action rurale de Madagascar”. Nandritra ity foara ity rahateo no nanararaotan-dRtoa Ravoniarisoa Hantanirina, filoha nasionallin’izany fikambanam-behivavy tantsaha izany fa manana paikady entina manatsara ny tontolon’ny famokarana eto Madagasikara izy ireo. Paik’ady izay azo heverina fa...