FI.MPI.MA FARITANY ANTSIRABE : Nanao fianianana ny filohan’ny sampana vaovao
Tontosa ny 08 Febroary 2024 lasa teo ny fianianan’ny filoha roa lahy vaovao hitantana ny sampana FI MPI MA Akon’Ankaratra faritany Antsirabe Atoa Rasoloarijaona Faliarisoa sy ny filohan’ny sampana FI MPI MA Manandoana Atoa Rijaharinjaka Elisio. Marihina fa ireo sampana ireo dia sampana vaovao napetraka hanampy ireo 9 efa misy. Midika izany fa miroborobo ny FI MPI MA faritany Antsirabe. Misandrahaka maneran-tany ny FI MPI MA, firenena 21 no sahaniny amin’ny fampiroboroboana ny soa...