Fetin’ny Paska teto Analamanga : Tafakatra 159 ireo olona voasambotry ny pôlisy
Fotoana iray fanararaotan’ny mpanao ratsy ny fisian’ny olona mivorivory sy ireo karazam-pety aman-danonana isan-karazany. Nandritry ny fetin’ny Paska lasa teo, niaraka tamin’iny faran’ny herinandro lavalava tsy niasàna, nisian’ny fahatsiarovan’ny 29 martsa iny dia tsy mandry andro tsy mandry alina ireo mpitandro filaminana, niezaka nisoroka ireo karazana asa ratsy nisy. Raha ny antontanisa navoakan’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenana dia pôlisy hatrany amin’ny 1250 isa...