Fenoarivobe : Lehilahy maty nototoin’ny omby
Rovitra ny ilan-kibony, rovitra ny foto-peny, feno maratra sy mangana ny vatany iray manontolo … vatana efa tsy misy aina intsony no novantanin’ireo mpamonjy sy ny mpitsabo. Tsy nisalasalàna fa nisy namono ity rangahy ity saingy tsy lavitra ny tompon’antoka : ilemainty ! Ilay omby fiompiny ihany. Biby anisan’ny manana ny toerana amin’ny fiarahamonina malagasy raha ny omby : manampy amin’ny asa ary mpanome sakafo ihany koa… saingy biby mampidi-doza indraindray raha ity tranga...