Andiloava-Rn7 : Taksiaborosy nivadika, olona telo naratra mafy
Fiara mpanao zotra nasionaly “sprinter” inday no niharan-doza zoma 20 jona maraina teny amin’ny lalam-pirenena faha-7 (Rn7) tao Andiolava, Faritra Ihorombe. Arak any fantatra dia niala avy any Fianarantsoa hihazo an’i Toliara ity fiara ity izao tra-doza izao. Nandeha tamin’ny lalana mahitsy ary marina io fiara io no nivoaka ny lalana ary nivadika natory tamin’ny ilany havanana. Vokany, mpandeha telo no voalaza fa naratra mafy tamin’izany. Ireto farany izay nentina avy hatrany...