Fampihorohoroana sy herisetra : Efa-dahy niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana voasambotry ny pôlisy
« Tovolahy mahery fihetsika ! » Izay no nanasakajian’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena an’ireto efa-dahy voasambotr’izy ireo tao an-drenivohitr’i Boina tao, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy hatrany dia efa nikoizana ary nampitondra faisana olona maromaro mihitsy ry zalahy ireto, noho ny fampihorohoroana, fanakorontanana sy herisetra maro isan-karazany, nataon’izy ireo tany an-toerana. Manao andiany izy ireo ary miditra an-keriny sy...