Boeny/Betsiboka : Nikaondoha niarahana amin’ny ady atao amin’ny tsy fandriam-pahalemana ireolehiben’ny zandary
Nikaondoha niarahana ireo lehiben’ny kaompanian’ny Zandarimariam-pirenena eto Maevatanàna sy Ambatoboeny, ary ireo kaomadan’ny Borogady no natao tao amin’ny biraom-piasan’ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary aty Betsiboka ny fihaonana teo amin’ny roa tonta, hiadiana amin’ny asan-dahalo miampy halatr’omby eny anelanelan’ny sisin-tanin’Ankirihitra, Mangabe, Mahazomà, Kandreho, izay lalan-kizoran’ireo malaso. Izao hetsika izao no natao mba hisian’ny...