Fampiharana didim-pitsarana : Trano 35 tandindonin-doza eto Toamasina
Nikorontana vao maraina ny vahoaka tao Tanambao faha-05 P/elle 13/91, raha nahita ireto mpitandro filaminana nisaron-tava sy mirongo fitaovam-piadiana niaraka tamin’ny “bulldozer”. Maro be ny resaka niely nandritra izany, ka tonga ny nisoka kiririoka niantso ireo fokonolona hivoaka ny trano misy azy mba hisakana ilay “bulldozer” tsy handrava trano, satria efa niely ny feo fa tonga handrava trano izy ireo noho ny didim-pitsarana. Efa vonona tamin’ny vato teny an-tanany ireo...