Andakavaky-Maevatanàna : Maty notsatohany antsy ny rafilahiny
lehilahy iray no maty tsy tra-drano, raha niala aina teny an-dalana ihany koa ny vadiny. Tsy nahalefi-po ity farany, ka niroso tamin’ny samby tsy manana, teo amin’ny vadiny sy lehilahy iray, noeritreretiny nifangalatra ara-pitiavana tamin’ny Ramatoa vadiny, any ka niafara tamin’ny finidronana antsy fisisika ny raharaha. Ny alin’ny faha 30 hifoha 31 volana jolay taona 2024 teo, tokony ho tamin’ny 01 ora maraina tany ho any, tao amin’ny fokontan’Andakavaky ( Ankara,) Antsapanana,...