Brieville : Mpaka an-keriny raindahiny roa lahy maty voatifitra
Efa nikasa haka olona hafa indray ireto andian-dahalo no nifanehatra tamin’ny zandary. Raikitra ny fifampitifirana. Aina roa no nafoy tamin’ireo malaso, raha tsy nisy voakitika ireo mpitandro filaminana. Ny alatsinainy lasa teo, nahazo angom-baovao ny teo anivon’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Andriamena, ny amin’ny fisiana andian’olona hafahafa fihetsika, nivorivory tao amin’ny kijàna iray teo amin’ny toerana antsoiona hoe Salama, ao amn’ny kaominina...